You are here: home > Vetso

AMPITAHAO FA MISY.... - ILIMIM JIVISDI

Azo vakiana?


Misy tontolo azo sokajiana roa
Kanefa misy koa ny tsara ho fantatrao aloha
Ekeko misy fatrany,  ‘zay…heveriko ho sahabo
Saingy moa ve izany….  Ampy, Ilazanao, f’izy Babo ?

Misy tena misy voninkazo Niangaliana
Misy tamin’ ireny vita sikotry ny Tiana
Mibaribary an-tsary nefa “Kary” tsotr’ izao
Tsy hanànany akory  izany fo Mitempo ho anao

Misy teboteboka… fa mba fenoy ny banga
Izy tovolahy, Hianao koa zavavy manja
Mpambabo fo mahay,  no zary lasa avo leta
Fa tsy hananan’ izy ireny,  ny fo hanananay  Poeta

ILIMIM JIVISDI

Hametraka hevitra

Midira aloha