You are here: home > Vetso

ENGA HIFANITSY - ILIMIM JIVISDI

Midoboka mafy ny Foko Malala !
             Mitempo tsy miato mila hamaky vala
             Ny ventson' ny foko manonja mitraotra
Topazan- toloko ka tsy afa manoatra

Mba faniriako raha toa sitrakao !
             Tiako dia tiako raha toa azo atao
             Ny hiombona adala, hiara-dia
Hizara hasambarana,  hiombom-pitia

Koa enga hifanitsy, ny Fo hifandray
             K'izaho tia anao, ary ianao ho tia ahy
             Dia hifanojo ny Tia sy ny Tiana
Hiara hijoro sy hametraka Dina !


ILIMIM JIVISDI

Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha