ERITRERITRA (ILIMIM JIVISDI)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ERITRERITRA


No mpaniraka ny saina
Hanaraka ny baikon’ny
Tenany mpandidy
Tompon’ny safidy
...voahidy:
Tao anatin’ny tsy haiko
Nolazaina,
SAINA.

Dia misy hono aho!
Dia misy koa ianao!
Baraingo sesilany
No nasetriko ny tany
Tamin’izany fotoana ‘zany.

:“Tsy amin’ny maha izaho
F’ izaho ‘lay manan’aina
Azafady, diso kely
Izaho r’hefa misaina
Ankehitriny izao,
Eo no hatrapako
Fa mieritreritr’aho!”

Hoy ny namaliany
Tamin’izay fotoana ‘zay
‘lay baraingo(?)
Faingo,
Izy no mpamolaka
Tsoraka !

No mpaniraka ny saina
Hanaraka ny baikon’ny
Tenany mpandidy
Tompon’ny safidy
...voahidy:
Tao anatin’ny tsy haiko
Nolazaina,
SAINA.



[ ILIMIM JIVISDI ]
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
989 1
Mpakafy: Iarindria
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ILIMIM JIVISDI
Nampiditra : ILIMIMJIVISDI
Daty : 24/11/2014 05:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144