You are here: home > Vetso

FAINGOM-PA|NIRINA| - ILIMIM JIVISDI


Misy tsiky mamy toa tsapako miserana ao anaty kalonao
Misy hevi-dalina mifono mistery, tsy haiko rah' tsikaritrao
Misy koa talenta voavoatra hatry ny ela, mianoka hasambarana
Misy bitsibitsika tsy manampahataperana midongy famantarana

Misy Voambolana noentinao nambabo, angolangolan-teny
Misy hazavana, tsapako miposaka mitaratra eny ho eny
Misy fomba hafa namintinanao ny kanto, etsy anivon-jaridaina
Misy faniriana tiana indramina eo imolotra: 'tsiaritro holazaina'

Misy faingona fotoana noravahan-tafasiry, ka nirakotra hafanana  
Misy laingona litera adi-rimana mozika 'zary fihainoko mazàna
Misy vikivikin' eritreritra mamakivaky maso, manantena ho iray
Misy tanjona kendreny tsy mba hanampahataperana , dia ny ho Mandrakizay.


ILIMIM JIVISDI

Hametraka hevitra

Midira aloha