You are here: home > Vetso

FISEDRANA - ILIMIM JIVISDI

Azo vakiana?


Tanaty haizin-kitroka ny lalana ombaiko,
Nandalo onjan-drano ny toky nokasaiko,
Voafatotry ny tahotra ny tanjaka ananako,
Toa soa very maina ny herin’ity tanako.

Eny fisedrana, niserana ny lasako,
Kanefa mafy orina ny toky izay kinasako,
Tsy ho faty ny finoako, tsy hisy fitsaharany
Tsy ho levina aho, raha misy koa ny farany.

ILIMIM JIVISDI

Hametraka hevitra

Midira aloha