You are here: home > Vetso

Ho POROFOM-PITIAVAKO - ILIMIM JIVISDI

Semban-drahona matevina, ilay andro vao nitaratra
Tselatra sy kotroka, nahatapak' herinaratra
Nandify ny hazavana, kitro-kaizina matevina
Gina ny tontolo, toa foana zary levona

Na toa inona ny dezaky ny tany foan' ny lalako
Havoana lava tendro, izay mikiry tsy handehanako
Tsy hahafoana na oviana fikasana anatiko ao
Ho porofom-pitiavako, fa tiako loatra ianao!


ILIMIM JIVISDI



Sokajy : Boraka fitia

Hametraka hevitra

Midira aloha