ORIAN’NY FITIA (ILIMIM JIVISDI)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ORIAN’NY FITIA ...


Malahelo aho. Sanatria raha mila vanina
Tena tia aho.Fa mody hodianao fanina
Mitoreo aho. Tsy sahy milaza akory
Tena babo aho. Fa tsy tsapanao fa ory

Mijaly aho. Maniry ny ho eo anilandry
Marary aho. Matoa midodododo aty
Maratra aho. Rangotin’ny ankaso
Fa noho ianao. Dia kotsan-dranomaso

Miangavy aho. Ny anekenao tsotr’izao
Eny ho’aho. Ny hiaradalana aminao
Hitomany aho. Raha lavinao ny zoko
Hamono tena aho. Raha hilaozanao ny Foko

Eny ho’aho aky. Efa ela no niandry
Ity foko tia. Efa tsy tafandrimandry
Koa mitalaho. Miangavy an-tanam-polo
TIAKO IANAO. Amin’ny foko manontolo

ILIMIM JIVISDI
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1360 1
Hevitra mandeha
ernest15 ( 04/01/2016 14:43)
mahafinaritra les eh!tohizo fa tsy maints haniky anlah ian izy ny faran!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ILIMIM JIVISDI
Nampiditra : ILIMIMJIVISDI
Daty : 22/12/2014 16:07
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101