You are here: home > Vetso

RIAKAN'NY FOKO - ILIMIM JIVISDI

                  RIAKAN'NY FOKO


Misy pitik’afo ahofahofan-drivotra any ho any
Hoy ny foko niboredika nijoala fanontany
Raiki-tahotry ny tevana hady lalina fiantsampy
Dia ny foko nihakanosa teo ambony vatolampy

Fa ny kiriko namisa visavisa hasambarana
Nofaohin’ny hirifirin’ny ahiahy ka nitsivalana
Hany ka nahatsiaro ity fakako nitoetra
Nongozonina nanjary nihovitrovi-pararetra

Izany tsembatsembana izany hoy ianao
Tsy mba tahaka irony filalaovan-kilalao
Mianjady ka zakaina raha tsy mino manantena
Dia lavo ka ho kivy tsy hahita fandresena


Fa ny pitik’afo ahofahofan-drivotra any ho any
No hanaposaka ny saiko hanazava koa ny tany
Ka ny vatravatran’iny ranomasoko hilefy
Hampitsahatra ny riakan’ity foko tsara fefy.


[ILIMIM JIVISDI]

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha