TARATASIN’ OLON-TIANA (ILIMIM JIVISDI)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TARATASIN’ OLON-TIANA

Any ianao r’ilay malalako
Izaho manoratra hoanao
Raiso aloha ny soratanako
Ka inona ny vaovao!?

Ny mpanoratra salama
Saingy kosa mahatsiaro
Manembonembona mazàna
Ny alahelo koa dia maro

Ny aty aloha tsy be ambara
Fa miadi-saina sy mangiana
Toy ny zaza voarara
Satria tsy anilanao ry tiana

Inona ny vaovao
Sy ireo malaza any ho any!?
Ny foko aky mahatsiaro anao
Ka mandefa ireo vinany

Mirary soa anao anio
Ny foko tia anao rahavako
Raha mahatsiaro dia valio
Ho voaporofo ny fitiavako

Tsy lava resaka aho angamba
Fa mandram-pihaona ianao ry aiko
Veloma hoy ny foko jamba
Fa mbola hihaona hoy ny saiko

ILIMIM JIVISDI
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
4190 5
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ILIMIM JIVISDI
Nampiditra : ILIMIMJIVISDI
Daty : 04/03/2016 12:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098