You are here: home > Vetso

TSIKY TSIKINAO - ILIMIM JIVISDI

Azo vakiana?

Velon-tsioka mora ho' aho ny manodidin' ahy
Hiantefan'izato tsikiny malefaka sy sahy
Fa sahy mandrantiranty ilay hakanton' iny sisiny
Dia ny Bika tsara rafitra natosakin' iny nifiny


Fa iny nifiny iny ô mahagaga ahy fa fotsy
Mangatsaka ny fiainako ao anaty feno rotsy
Dia sondriana iny rotsiny manaranara-kefa
Mba kanto loatra ho' aho fa meva fiantefa


Koa satriko iny tsiky voavolanao t' anaty
Handoko ny habakabakin' ny foko mandramaty
Hanjary Ventson-kira ho kaloiko anatiko ao
Fa kanto loatra ho' aho izato TSIKY TSIKINAO !


ILIMIM JIVISDI

Sokajy : Aingam-panahy

Hametraka hevitra

Midira aloha