VOATSINAMPIN' NY FINOANA (ILIMIM JIVISDI)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
...
Andrandrao minitra monja vetivety kely anie e!
'lay masompahatakaranao handinika avy hatrany
Raha misy koa finoana arahim-pasoavam-be_!
Moa ve tsy ilay Safidinao no nahatontosa izany?

Indraindray anefa izy, ilay toherin'iny tahotra
Manahy fandrao dia mbola hisy fisedrana amahotra
Handroso fa voasakana satria tsy taza-maso
Nefa hanampy anao handroso ve izany andrasoandraso!?

Eny ekena, mety ho marina raha toa ka toy izao
Ny famaritry ny hoavy tsy kisendrasendra anefa
Fa ny voan'ny safidy, ny hazavan'- Finoanao
Mafy orina va re!? ka nahoana no milefa !?

Mandra-pieritreritrao, Voatsinampinao afafy
Raha sendra anaty zavona dia mifikira mafy
Mety hahagaga ireo variana: ny fiaritrao ny jaly
Fa fantaro fa ny anio no: "Ampitson' ny Omaly...!
...

IlLIMIM JIVISDI
--------
Rohy:
1151 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ILIMIM JIVISDI
Nampiditra : ILIMIMJIVISDI
Daty : 26/02/2016 11:50
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101