Manana ny foko aho (JERY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manana ny foko aho

Manana ny foko aho
Afaka ny hitroatra
Rehefa atao tsinontsinona
Raha mba diso tia

Manana ny foko aho
Afaka ny hisaona
Raha toa ho fahoriana
Ny fandaozanao ahy

Manana ny foko aho
Afaka ny hionona
Raha zary ho fanenenana
Ny lasa efa vita

Eny,manana ny foko aho
Mbola afaka ny manantena
Misy anjarako any ho any
Fa vita hatreo ny amintsika
JERY
RAKOTOMALALA Tsiriniaina Landry
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1061 2
Mpakafy: landryjery - rombanaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : JERY
Nampiditra : landryjery
Daty : 24/06/2015 07:49
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142