Lova tsara (Karako)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tia manimbaSy mizimba
Tia mandrava
Sy be vava.
Tia mivaza
Tsy manaja
Loham-boto
Ka manoto.
Tia mandaka
Mpanambaka
Mampiady,
Mampandady.
Volomboasary
Tian’i Kary
Sary ihany,
Hanihany…
Tsisy jery
Fa dindery
Mpanamondra (1)
Te hitondra.
Mpankahala
Mpanadala
Toa tsy hendry
Te ho voatendry.
Aza danàka
Sao voambaka
Sy vinidy
Ry mpifidy.
Jery lavitra
Mba ho avotra
Lova tsara
I Gasikara !
Karako
2018-10-31
(1) Manamondra : Mandany tsiro ny tany (http://malagasyword.org/bins/teny2/manamondra)
--------
Rohy:
Hevitra mandeha

karako
(
08/02/2023 01:25)
Misaotra be dia be ny mpiantsa! ????

ikalamako
(
08/02/2023 19:51)
am-pitiavana, Karako a !

hery
(
02/03/2023 21:32)
Tiako kosa ilay ngadona