Lavitra... - Karako
Azo vakiana?
Lavitra ahy ianao fa misy elanelana;
Zara raha voakasika.
Ny fihaonantsika dia zary serantserana
Sy toa mamasipasika!
Lavitry ahy ianao ka lasa mamanala
Ilay afo niarahana;
Tsy afaka amindroana fa mampisalasala :
Kitay lany fahana!
Lavitra ahy ianao ka zary mpivahiny,
Lasa olon-kafa.
Raha sendra tafahaona mifanome tsiny
Sy mihavitsy tafa!
Lavitra ahy ianao fa antenaiko kosa
Fa mbola hody indray!
Hiara-handrehitr’afo sy manala trosa
Fitia mivaivay...
Karako
2018-03-02
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Karako

Nampiditra : karako
Daty : 02/03/2018
Mpamangy : 683
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Jesoa no manirakaTohy
Isaina
Lova tsara
Masina ny firenena
Tsy irery ianao
Ry zanako
Tsikotsiko
Laolao teny
Rehefa aty Andafy