You are here: home > Vetso

Tohy - Karako

Azo vakiana?

Hanatitra sy hitsena toy ny fanao fahiny
Manao maty hitsaka iny lalana iny.
Hitantana anao, toa menatra fa sambatra
Mamboraka fitia na bada sy miambatra !

Hanetsika indray ilay tadin'herinaratra
Ilay fanaontsika raha te-hilaza hafatra.
Hafatra mafonja, koloina sy enti-maty :
Ny fitiavako anao dradraiko sy aranty !

Andao isika roa hisinda, hitoka-monina
Hamonjy torapasika, haolo tsisy olona.
Miara-manonofy, dia miaraka manonja :
Ny lantolanto’ny onja tahafina hitondra...

Dia hifampitantana hianika alitara
Hanavao indray ilay voady tena tsara.
An-tananao ry Tompo ny atao sy kinasa :
Ny tokantranonay roapolo taona lasa !

Karako
2020-03-04

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Karako


Nampiditra : karako
Daty : 04/03/2020
Mpamangy : 317
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Jesoa no maniraka
Isaina
Lova tsara
Masina ny firenena
Tsy irery ianao
Ry zanako
Lavitra...
Tsikotsiko
Laolao teny
Rehefa aty Andafy