You are here: home > Vetso

Jesoa no maniraka - Karako

Azo vakiana?

JESOA NO MANIRAKA

Aza kivy ry sakaiza fa miasà mafy
Mamafaza voa f'izay no anjaranao.
Izy mampitsimoka ny voa izay afafy
Izy manome hery hanefàna izay atao.

   Fiv :
   Jesoa no maniraka antsika ka andao :
   “Ataovy mpianatra izao rehetra izao”
   Hirao am-pifaliana ny famonjeny,
   Derao ho ren'ny maro ny fandreseny !

Tafio ny fiadiany ka mahereza
Hanohitra ilay Ratsy fahavalo.
Izy momba antsika ka meteza
ho iraka handresy tsy mimalo.

Aza miandry ry sakaiza fa entano
Ireo namana izay toa variana ety.
Andao hamaky ala, andao hita rano
Hiara-hirodobe hanafika hatrary !

2011-05-25

- Hira fanevan’ny fiangonana FJKM Québec, Canada -

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mombamomba

Mpanoratra : Karako


Nampiditra : karako
Daty : 29/05/2020
Mpamangy : 195
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Tohy
Isaina
Lova tsara
Masina ny firenena
Tsy irery ianao
Ry zanako
Lavitra...
Tsikotsiko
Laolao teny
Rehefa aty Andafy