Isaina - Karako
Azo vakiana?
Isa
Misaina ny hody aho izany
Roa
Rotsian'ny fahatsiarovana
Telo
Tilian'ny hanina avy any
Efatra
Efa tratrin'embonareo
Dimy
Dia mivetsovetso ny akany !
Raha hody aho anefa dia aiza ?
Aty mba efa misy sakaiza
Sady ananako sombina tany
Kanefa toa vahiny ihany !
Raha hody aho mbola ho tadidy ?
Sao sendra izay trano mihidy
Ny fiainanareo tsy nijanona
Tsy niandry izay nankany Ananona.
Enina
Tsy nenina anefa tsy akory
Fito
Fitadiavana mahazaka maniraka
Valo
Valovotaka izahay aty...
Sivy
Tsy vita mora safidy ry zandry
Folo
Folo hafatra i Dada sy i Neny !
Haja Raharijaona
2018-12-24
Sokajy :
Alahelo, embona, Eritreritra mandalo, Fahatsiarovana, fiainana, Fianakaviana, Fisarahana, Fitiavana, Hanina, rindra
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Karako

Nampiditra : karako
Daty : 29/12/2018
Mpamangy : 436
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
Jesoa no manirakaTohy
Lova tsara
Masina ny firenena
Tsy irery ianao
Ry zanako
Lavitra...
Tsikotsiko
Laolao teny
Rehefa aty Andafy