IZY MAMAKO (ketaka kely)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izy mamako ,

Izy nitaiza sy niahy
Ilay nampihanta sy nibedy
Ilay namafa ny ahiahy
Indrindra koa ireo tebiteby

Izy no ilay tsara fanahy
Tiako izy ,izy koa tia ahy
Ka raha nisy ny adintsaina
Izy teo tsy mba afa maina

Izy ilay nataoko modely
Amin'ity fiainantsarotra
Ny adiny dia tsy mba kely
Nefa izy tsy mba niady varotra

Izy ilay tia nampihavana
Ireo nitriatra sy nisaraka
Ka nanjary mavamavana
Na ireo tena mainty araka

Izy nanofy hoe izaho tafita
Zoky,zandry tsy ho lavo
Ireo zafiny tsy hipitrapitra
Idada koa tsy hivary lavo

Izy ilay nanankimpo
Amin'ilay ray tsitoha
Toky ho azy tety antany
Dia jesosy irery ihany

Izy anefa lasa tampoka
Tsy nahavita na veloma
Ny fitiavany dia ampoka
Hampitony anay tsy hirona

Izy no ilay mamanay
Tokana tsy misy roa
Omaly anio mandrakizay
Velona ato anaty fo

TIAKO IANAO RY MAMAKO INY
NA TSY VOALAZAKO AZA IZANY
TSY NETY REHETRA IALAKO TSINY
HIHAONA ISIKA INDRAY ANDRO ANY

Nosoratako androany fetin'ny reny 2009
--------
Rohy:
1620 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ketaka kely
Nampiditra : nyratsima
Daty : 17/07/2009 19:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143