Vetso ho anao ry reny (ketaka kely)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VETSO HO ANAO RY RENY

Ry reny rehetra izay velon'aina
Henoy izato bitsika
Ny fiainanao anie ho vitsy taraina
Ka havitribitrika

Ny fitadiavana sy ny fitaizana
Ho maivana atrehina
Ka tsiky sy hehy ary koa reo korana
No hiverimberina

Irariako erampo hoe ny reny rehetra
Ho sambatra tretrika
Ho foana ny jadona sy herisetra
Ka hitotorebika

Raha misy masiaka mandratra ny vatana na koa ny fo
Ny loha atrakao
Fa ny Ray ao ambony ,ilay mpanasoa
Mitazana anao

Ry tompo mahery o^, tahio re ny Reny
Hiadana am-po
Na inona ady , ampio izy ireny
Ho tojo ny soa !!!!

Ketaka kely (09/09/09)
--------
Rohy:
2512 1
Mpakafy: nyratsima
Hevitra mandeha
Mysento ( 12/09/2009 14:47)
Ny reny,ian angah???Tsara ilay vetsonao.
nyratsima ( 19/09/2009 11:24)
misaotra an'i Mysento ! ny eny aloha izao no ivoahan'ny aingampanahy fa miandry anareo hamoaka ho an'ny ray e ! misaotra e !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ketaka kely
Nampiditra : nyratsima
Daty : 11/09/2009 13:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0189