You are here: home > Vetso

MAMPAMANGY - ketaka kely

Azo vakiana?

Mampamangy

Ry volana ô r'ilay tsy miangatra
Mba ento ny hafatra
Izy hono hoe mahatsiahy
Mangahiahy

F'izay rehetra mba jereko
Mampisento
Ka ny saiko savolaina
Monamonaina

Ento ny hafatra fa manina
Fanimpanina
Izy hono hoe mangenahena
mila hivena

FA IZAO !

Bitsiho azy ampifaliana
Ampitsikiana
F'ilay kintana hendry no mitarika ahy
Izaho tsy manahy

Mampamangy aho any ho any
Tsy an-kitomany
Veloma hono hoe mandrapihaona
Mbola hihaona ...

Ketaka kely

Hevitra mandeha

Mysento (25/08/2009 13:36:01)

Aza ;misentosento intsony,hono,oe.

rhina (03/09/2009 07:36:51)

aza manahy fa ...

ho avy, ho avy, ho avy ilay fotoana
ka io volana , io kitana, io ihany
no, hampitambatra antsika

amin'izay fotoana izay
tsis' ny angahiahy, tsis'ny hangenaena
fa ho savolaina kosa

.....
satria tafahaona indray
.....

d aza manahy, tanomafy ny finoana fa ho avy, ho avy, ny fotoana

hoy i Rhina

Hametraka hevitra

Midira aloha