MAMANAY (ketaka kely)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAMANAY

20 taona lasa
No nandaozanao anay
Tsy isika no mikasa
Ka dia mionona izahay

20 taona tena banga
Mahatsiaro ho irery
Izay jerena vangavanga
Ny fo injao toa misy fery

20 taona hafa be
Hatramin ny nandehananao
Ireo zafikely marobe
Tsy mba nahita sy hitanao

20 taona aho mahatsiaro
Na hafaliana na tomany
Fihetsempoko mifangaro
Fa ianao dia afa jaly

20 taona be izao
Fa misy ny olona tsy niova
Ny fanananay anao
No tehirizinay ho lova

Mama ô tianay ianao
Ka mandria ampiadanana
Ety amin’izao tontolo izao
Jesosy irery no ho tanana !

Ketaka kely androany 09 septembre 2021
--------
Rohy:
407 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143