Misy andro - ketaka kely
Azo vakiana?
Misy andro tsara izay
Ireo vehivavy ho tsara endrika
Ny masoandro hahamay
Ho foana koa ny erikerika
Misy andro mampiray
Izay jerena toa mahitsy
Hamela heloka amin'izay
Fa ny olana tsy misy
Misy andro ihany koa
Ifampitoriana ilay fitia
Hianoka e ! izy roroa
Hifaly sy hiriaria
Misy andro hanomezana
Tsy hitsitsiana ny eo antanana
Ka ho zary fihomehezana
Ny tsy fisiana , tsy fananana
Misy andro hahatsiarovana
Ireo tantara tany aloha
Ka topimaso nifamatorana
D'efa ampy hamohafoha
Misy andro hifaliana
Hivetsoana , hihirana
Tanteraka ny faniriana
To izay mba nokasana
Misy izany andro izany !!!
Ketaka kely
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : ketaka kely
Nampiditra : nyratsimaDaty : 02/08/2009
Mpamangy : 971
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Vetso ho anao ry renyMAMPAMANGY
Ny ety ambany masoandro
Sahia milaza
SOMBINAINA
Misaotra Ray ô !
NISY VE ?
Hitsiky aho
Zandry ô ....Nahoana kay?
ANONTANIO HOE .....?