You are here: home > Vetso

Ny ety ambany masoandro - ketaka kely

Azo vakiana?

Manonofy aho mazàna
Fa indrindra ny maraina
Olo-maro mikoràna
Mifalihavanja ,velon'aina
Samy hafa firenena
tsy mitovy fiaviana
Nefa indro raha jerena
toa tsy misy fanahiana


Tao anatin'ity nofy
Na lehilahy, vehivavy , ankizy
Tafaray ,mitositosy
Ravoravo izay tsy izy
Miara miredona ,mihira
Hoe :miadana ny tany
Milamina ny gidragidra
Ny hatezerana efa lany


Tsy misy intsony re ny ady
Foana ny fifamonoana
Adino koa izay ahiahy
Ny ankizy koa tsy misy noana
Mitovy daholo izy rehetra
samy ety ambany masoandro
K'izay fisainana voretra
Avy hatrany dia malazo


Manonofy aho mazàna
Fa indrindra ny maraina
Ny tontolo feno hatsarana
Sy fiadanana lalaina

Manonofy aho ,hatrany hatrany
Fa indrindra ny maraina ,indrisy
Izany tontolo idealy izany
Raha rahampitso mbola tsy hisy ...

Ketaka kely


Hevitra mandeha

Mysento (11/08/2009 19:28:37)

Mety,ihisy. Raha mino, ianao.

nyratsima (12/08/2009 18:24:21)

mino aho kah !hisy tokoa izany !!!

Mysento (12/08/2009 19:34:02)

Izany,no irina.

Hametraka hevitra

Midira aloha