Hitsiky aho (ketaka kely)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hitsiky aho

Hitsiky aho na dia tomany
Mazava izao anaty foko
Fa ny hetrak'ity tany
Arahin-tsento sy toloko

Hitsiky aho na dia tsy faly
Fa faniriako ny ho sambatra
Ity foko te hamaly
Hihira, kalo tsy miambatra

Hitsiky aho na dia onena
ny foko manko tia miantra
Ka ny tsiky izay omena
ho fanafodin'ny mahantra

Hitsiky aho dia ampy izay
Ho fanalahidy sy fanefitra
Ka n'inona ady mahamay
Izaho hitsiky , Izy hilefitra ...

Ketaka kely
--------
Rohy:
1867 3
Hevitra mandeha
hery ( 24/07/2009 13:21)
Tiako... Raha vao resaka tsiky dia tiako foana :-)
Tsiky maharesy ny zvt maro e
nyratsima ( 24/07/2009 15:16)
misaotra e !inona tokoa no tsy vitan'ny tsiky?
endrika01 ( 24/07/2009 18:09)
Zah tsy mba tia mitsiky ,hi hi ;-)
Zozoro ( 30/07/2009 15:18)
Ny fitsikiana dia manambara ny fahatsoran'ny fo...
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ketaka kely
Nampiditra : nyratsima
Daty : 24/07/2009 12:51
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.1005