You are here: home > Vetso

Zandry ô ....Nahoana kay? - ketaka kely

Azo vakiana?

Zandry ô !!

Raha fantatrao f'ilay Nahary
No naha toy izao anao
Nahoana kay raha abaribary
Fa asatanany ianao ?

Raha fantatrao fa mbola ho avy
Ilay masoandro anjaranao
Nahoana kay no araviravy
Ireto ratsambatanao ?

Raha fantatrao fa tsy maintsy hisava
Ny raho mainty mitatao
Nahoana kay no avela ho rava
Ny fanantenana anatinao ?

Raha fantatrao fa tena tia
Reo fianakaviana havanao
Nahoana kay no dia minia
Amin'ny fivarialavonao ?

Raha fantatrao fa raha miezaka
Dia ho tafita any aoriana
Nahoana kay no hitofezaka
Sy toa mitango fahoriana ?

Raha fantatrao fa ny Mpamonjy
Hanome fiainana milay
Nahoana kay raha hitady vonjy
Mandeha mivavaka amin'izay?

Raha fantatrao zay rehetra izay
nahoana kay .....?

atolotra ho an'ny zandry rehetra

Hevitra mandeha

Zozoro (30/07/2009 15:14:40)

Ketaka kely ô !

Sambatra i Zandry manana anao...

Hametraka hevitra

Midira aloha