Tia anao indrindra (TsiferanaII)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nandalo teny amoron-dranomasina aho
Dia nahasoratra ny anaranao tambony tora-pasika
Farafaharatsiny tazan'ny lanitra
Fa nandalo teto ilay tia anao indrindra
Fa na ny ranomasina ary kay mialona ny fitiavako anao
Nofafany sahady ny anaranao nosoratako
Ny anaranao izay tsy fantany fa misoratra ato am-poko
Tsy voafafan'iza n'iza

Namangivangy ny menamasoandro aho
Dia nahasoratra ny anaranao tanatin'ny diariko
Sitrany ahay voatahirin'ny androaniko
Fa nahatsiaro foana ilay tia anao indrindra
Fa na ny masoandro ary kay mialona ny fitiavako anao
Vao nahatsiaro anao aho dia izy nidila.
Tsy nety nanazava..
Asa... saro-piaro angamba?

Kiala mirana
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
395 1
Mpakafy: Rnfrm
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TsiferanaII
Nampiditra : TsiferanaII
Daty : 14/06/2023 14:04
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0202