Mirana (TsiferanaII)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mirana !!!!!!
Mirana ilay anarana fiantso anao
Manana endrika kanto sy vatana tomady
Ilay tovovavy havanana amin'ny lalao
Teraka tao anaty ny vitana alahamady

Tonga teto antanana sendra fialahantsasatra iny
Nahitako anao voalohany teo amorondranomasina
Nandefa saina Aho hoe ise angah vahiny
No tsy de fahitako teto ToamaSina ?

Nijery ahy ianao sady nitsiky kely
Izaho avy any amin'iny iarivo iny
Tsy nahabanjina anefa Aho tsy nahajery
Lasa saina sahady niverina ny fahiny

Tonga n'y alin'izay tsy tafandry izato tovolahy
Ohatrany hoe nisy hery nifaningotra nahataitra ny fo
Lasa tebiteby lava hoe raha ianao no ahy
Dia hifindra tontolo ho tanteraka ny ambiro

Tonga n'y ampitso mbola nanatena ihany
Hoe ahita anao eny amin'ny torapasika eny
Hiezaka hiainga marina bé Aho androany
Tsy te hahalala intsony n'y hoe hanampy an'i Neny

Noentin'ny andro ariva Aho teo antorapasika io
Kanjo zavadoza fa tsy tao intsony ianao
Ilay namanao omaly iny niangavoako hoe MBA valio
Hay lasa nody hono fa nahare vaovao

Nanadihady Aho nanontany foana
Tao nody tampoka sa hoe tsy Salama lahy ?
Tsia hoy izy fa tsy hafaka hiaona a
Raha izy lasa Salama tsara ka tsy manahy

Rehefa tapitra n'y resaka Zay izy vo niteny
Tsimaintsy nody mirana fa nisopatra n'y fiainana
Nahare antso homaly izy hoe modia fa Maty neny
Tapitra atreo fa tsy nisy hitarainanana

Mirana indrisy ilay masoandro kely nantenain'ny fitia
Voasopatry n'y fiainana ilay nofy mamy ny hakany
Mirary fihonona feno ho anareo mpankafia
Fa ilay zanaky ny iarivo namoy reny any ambanin'ny tany
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
205 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TsiferanaII
Nampiditra : TsiferanaII
Daty : 04/08/2023 08:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156