NY TANANANAY (TsiferanaII)

(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY TANANANAY
Mba mahafinaritra sy mahamanina lahy
Izato tanana izay onenanay
Toa fonenana mamy ho ahy
Tsy mba nankaleo ahy atramin’izay
Eo ampitan’ny avoana maro loko
Miendrika kanto raha indray mitopy
Miraikitra tsy afaka ato ampoko
Mazava hoazy fa tsy mitsilopy
Lavitry ny masoko izy ankehitriny
Toa siosio sisa no any mba manako
Mitamberian antsina avokoa ireo fahiny
Vao misaina ireo hira sy lamako
Any mantsy izao kiaky sy neny
Zoky zandry ireo naman-fahazazana
Ny Foko sy ny saiko tsy hafaka hiteny
Mbola hiaona anie any antanana
Tsìferåna
--------
Rohy: https://vetso.serasera.org/tonokalo/tsiferanaii/ny-tanananay
161 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TsiferanaII
Nampiditra : TsiferanaII
Daty : 13/03/2023 12:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.231