ZANDRY (TsiferanaII)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zandry ah… ianao ilay milaza resy foana amin’ny fiainana ?
Milavo lefona hoe tsy mba manana hitarainana
Isanandro izao mahatsapa toa resy tsy miady
Ilay masoandro vao mihiratra toa efa maty sahady

Nahilikin'ny fiarahamonina hoe tsy misy mitia
Ny fiainanao vao misandratra dia toa voafingana ny dia
Akorain’ny mahery fa hoe resy lava
Fa toa vao manangana dia efa rava

Zandry… banjino sy saino anie fa Kristy
Niaritra ny mafy ho antsika tety
Nandeha teny ny latsa ny vono atramin’ny esonteny
Tadidio sy saino fa hoanao no anton’ireny

Mahereza zandriko amin’ny fiainana antany
Aza kivy fa ianao no hamiratra indray andro any
Saino foana hoe ianao mbola hisandratra
Ka raiso ho anao ny esonteny ho fianatra
--------
Rohy:
Sokajy : Fananarana
598 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TsiferanaII
Nampiditra : TsiferanaII
Daty : 13/03/2023 12:14
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01