Ilay sombinaiko (TsiferanaII)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zanako, mety ho gaga ianao mahita ny farimpihainan’ny hafa
Mamaritra ny saina hoe tao tsy mba mitovy ilay antsika sahirana
Mametrapanontaiana hoe fa nahaoana ? maninona ireny no tafa ?
Sa hoe ilay ao ambony no manao fizarana mitongilana ?

Lasa saina foana rehefa ilay tsika mamonjy fety
Mandinika ny fitafian’ny hafa manopy maso kely mijery
Izay todiana de toa hita hoe tsara no sady mety
De ny ao antsaina voalony hoe ny fiainananay angamba efa very

Zanako oh tsinjovy fa dada anie efa miezaka mitady
Tsy hoe mitazana fotsiny akory fa satriko aza ianareo mba hifaly
Isanandro izao izy any antsaha miasa amin’ny angady
Tsia anaka ny fianantsika angeh tsy hoe akory mijaly

Ekeko hoe tsy eo i neny natao mba hanampy
Zary izaho irery no mitolona mafy ny hoavinareo
Izany anefa ry sombin’ i aiko tsy hoe aho toa ny vatolampy
Ka hijanona amin’izao ka hilavolefoa rehefa leo

Ny fianana anaka dia natao hizorana hatrany
Tsy sitrapontsika anie ny hisafidy ny hiady mafy
Satriko aza anie ianareo r’ilay tiako tsy hitomany
Mba hany faniriako dia hoe ny zanako ho lasa any andafy
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
326 1
Mpakafy: TsiferanaII
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TsiferanaII
Nampiditra : TsiferanaII
Daty : 03/08/2023 14:38
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137