Antananarivo (TsiferanaII)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa toa hizotra ho aiza lahy izato rivom-piaianana
Azakazadava tsy hita izay hiainana
Eny adalan'eny tsy fantatra hoe hoaiza
Mifanena avoka ny mpiavana sy mpisakaiza

Zary lasa fiainana ilay rotoroto
Vao mifoha maraina dia injay fa reko ato ampoko
Manako tsy mihato fa toa fahazarana
Enta mavesatra tsy hita hifaharana

Andao ry antananarivo mba hiova famindra
Ny fiainana isanandro andao mba harindra
Ny fotoana rehetra tsy mba hisy ho very
Fa tsy ilay rotoroto no ho atao tsianjery

Ny tontolo koa andao ho kojaina
Mba ho ataontsika izay hitsikian'ny maraina
Ireo dimby sy fara no ndeha hametrahana mamy
Tarigetrantsika Antananarivo mandroso hatrany

Ho ataontsika hitsiriritan'ny vahiny
Hoe ity tanana ity angeh ka hitanay fihaviany
Tanana iray ho atao modely ny rehetra
Renivohitr'i Gasikara tsy ilay toerana voretra
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
656 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TsiferanaII
Nampiditra : TsiferanaII
Daty : 25/04/2023 18:44
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094