Hafa mihintsy ny ahy (TsiferanaII)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Moana hono aho ka tsy nahateny
Milaza foana izy fa azy ny marina
Ka ny hany naveriny ombeny ombeny
Efa lavo ianao ka tsy ho tafarina

Mifaly ahy izy hoe efa potika
Tapitra atreo hono ny fanantenay
Ilay heriko vao nitranga de efa rotika
Tsy ho tafarina tsony fa ampy izay

Dia nanomboka niteny aho namaly moramora
Oh ry namako angah maninona no manao anzany ?
Toa sady maneso no toa mandrodra
Ny fiainako anie ka mandeha ihany

Dia mbola nitsiky izy sady toa tsy nino
Hoe ny fiainako anie ka efa misy lahatra io
Niteny aho hoe ny hoavinao no ndeha banjino
Fa ny ahy ny ampitsoko tsy hoe izay anio

Mamy anie hoy aho izany fiainako izany
Ny hafaliana no tena mibantoerana
Ndraindray mandao koa ny ranomaso sy tomany
Nefa ny fitahina omeny ahy dia tsy haiko ferana
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
611 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TsiferanaII
Nampiditra : TsiferanaII
Daty : 30/03/2023 15:16
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139