Tsy nampoizina (Laharthe)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)

Tsy nampoizina

Teny anaty zaridaina
No nandaniany ny maraina
Nisafidy voninkazo
Tena kanto tsy malazo,
Dia nataony am-pehezana
Mba ho tonga fanomezana.

Ny ranon'ando vao mirotsaka,
Ny masoandro vao hiposaka.
Mbola vao mangiran-dratsy
Izy no efa tonga tatsy
Hitsena fivelaram-bony
Ho an'ilay lalain'ny fony!

Avy eo natombony ny diany
'Ndeha hamangy ny olon-tiany
Nony teo am-baravarana
Indro fa nangaragarana...
Ka nahatazana ilay vazy
Feno voninkazo tsy azy!

Avy taiza koa ireto?
Hoy ny fony velon-tsento!
Ary avy eo toa olon-kafa
No indro hitany mitafa
Miady resaka ery...
Toy ny hoe mpifankatia!

Dia natodiny ny diany
'Ndeha hamonjy ny fodiany
Fa nihintsana nalazo
'Lay amboaram-boninkazo
Saika homeny ilay malalany
Ho porofon'ny fitiavany!

Lasana izy ka niserana,
Lasan'olona ny toerana,
Nirotsaka ny ranomaso
Fa mavezatra ny ankaso,
Saika mba hanao tsy ampoizina
Nefa indrisy sendra poizina.

Laharthe 26-03-17
--------
Rohy:
Sokajy : Ratram-po - tantara - Alahelo
1362 1
Mpakafy: Tolotrha
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Laharthe
Nampiditra : Tolotrha
Daty : 03/04/2017 21:22
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142