MAHEREZA (Laingo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha sarak’olon-tiana ka oriory izany fo
Aza kivikivy akory fa atrako izany loha
Ekena fa tsy moramora ny zavatra toy izany
Nefa hoy aho aminao “atsaharo ny tomany”

Fikasana ihany anie no mba azonao atao e
Fa kosa ny fandaharana an’Ilay Ray ambony ao
Koa mahereza hatrany, hatanjaho ity fo
F’Izy Nahary ity tany, mahalala izay mahasoa

Koa aza kivy, mitrakà , f’efa izao no anjara
Dia ny lasanao rehetra avalony ho tantara
Fafao ny alahelo, atsaharo ny tomany
Fa raha iray no tsy tia, ny tia tsy mba lany
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1059 1
Mpakafy: Zozoro
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Laingo
Nampiditra : llaingoo
Daty : 12/05/2009 09:57
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141