SAFIDIKO IANAO (Laingo)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Satria safidiko ianao dia tsy maintsy hotiaviko
Tsy atakalo n’iza n’iza fa anankinako ny hoaviko
Ny fitiavana ato am-poko ho anao tsy zaraina
Na anio na rahampitso, hatrany am-para-pofon’aina

Be ny azoko tiavina, maro no afaka hitia
Nefa ianao irery ihany no andrandraiko ho doria
Ka na ory ianao na manana, na ho faly na tomany
Dia ho tiako lalandava raha tany koa ny tany

Tsy hoe tiako dia nofidiako mba hitantana ny diako
Fa nofidiako dia tena tiako ka hizarako ny fitiako
Ka n’inona n’inona hitranga, na ho mangidy na ho mamy
Efa safidiko ianao ka hajaiko hatrany hatrany
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1591 2
Mpakafy: hery - Zozoro
Hevitra mandeha
Yagiz ( 09/06/2023 12:10)
Tsara loatra ty iray ty
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Laingo
Nampiditra : llaingoo
Daty : 12/05/2009 10:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0328