You are here: home > Vetso

aingam-panahy - lain's rakoto

Ainga ny fanahy
Ainga mampatsiahy
Mampatsiahy ny lasa
Lasa tsy voafafa
Aingam-panahy
Tsy natokana ho ahy

Na ho an-drangahy
Fa Mipetraka ao anaty
Rako tsoratra tsy maty
Aingam-panavotana
Adian-tsora tanana
Raki-bolan'ny fanahy

Izay ilay aingam-panahy
Tsy hay tohana fa tomefy
Tsy voasakana ny fefy
Na voatapaka amin'ny hety
Aingam-panahy ny poety

Teny kely teny vitsy
Mapisaina mampanitsy
Mampifaly tsy mampijaly
Ainga ainga ny fanahy
Natao ho ahy sy ingahy
Hampaherezana ny ory

Ireo voadona ny fitia
Tsy hiondrika ho doria
Ahita izay tia
Ho tafara dia
Mandramaty ny voady
Hiara dalana ho mpivady
Aingam-papahery

Mampipody ireo very
Aingan'ny fanahy
Mpampifaly ireo izay osa
Mampijoro ny kanosa
Aingam-papitambatra
Mampiray izay nisaraka

Hametraka hevitra

Midira aloha