Ny korisam_peniko (lain's rakoto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny korisam_peniko
Mikorisa ao anatiko ao
Mikorisa tsy ankijanona
Tsy mba maha fanina
Toa mikorisa moramora
Misosa malefaka manafosafo
Ny aty fanahy

Tao tsy tanako intsony izy ity ry zalahy
Malefaka loatra sy mandrotsirotsy
Adino daholy ny kaikitry ny haofotsy
Toa lafatra loatra noho ilay ao anaty bodofotsy
Tsy tsaroana hatraminy Rafotsy

Toa mamiko loatra ilay mandrotsirotsy
Satriko foana ho rotsirotsiana ,lafatra loatra rehefa eo ny Tiana
Ny korisam_peniko sarotra afoy
Maika mitombo mamelana hatrany
Henika azy eran'ny tany

Raha iny ianao ilay sendra tomany
Adino daholo ny akaso ny tany
Ny korisam_peniko no anton'izany
--------
Rohy:
333 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lain's rakoto
Nampiditra : Naje
Daty : 07/02/2023 13:59
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144