Endrikendrika (lain's rakoto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miritsoka mandritsokin'NY foko♥
Mandrotiky NY aty fanahiko
Ilay teny !teny tsy voahevitra
Toa tsy niambahamba akory ianao
Niritsoka izay tianao lazaina

Nefa!aleoko aloha mangina
Tsy anontany akory aho!
Hoe inona no Antony
Izay mangina hono volamena
Na tsy ho izany aza izaho

Ny endrikendrika izay nataonao
Ny ozona,opa,heso tsy manahy
Fa Zanahary ombony ao mizaha
Aleo mangina tsy miteny
Tsy Hanozona aho ry neny

Fa Vero taingenam_pody aho tsy folaka fa milefitra
Lohalika sy laferana izay milefitra no mandina
--------
Rohy:
373 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lain's rakoto
Nampiditra : Naje
Daty : 15/12/2022 13:33
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01