Any ho any - lain's rakoto
Azo vakiana?
Nangina teo ilay tokonana
Lasa sary fahatsiarovana
Endrika mahatorovana
Teo ilay fitoerany
Toarana fonenany
Fonenam-panembonany
Ankohonany tsy foiny
Tsy maintsy nilaozany
Nialany ny ankaniny
Hiova vaovao indray
Ny fitoerany hatrizay
Ilay kotaba kely
Adiady tsy mba foiny
Milaozany avokoa
Fiainana hafa indray
Vava vokaka ny hany
Hany mba fitazany
Rangolahy mangina
Any no fonenany
Toerana mangina
Lavitra andriana
Tsy maha be fanontaniana
Akany mafy fandriana
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : lain's rakoto

Nampiditra : Naje
Daty : 22/02/2017
Mpamangy : 882
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
GADRAM-PAHOTANAtiako loatra ianao mamiko
malala tena tiako ianao i
zan ve marina tena teny
Polifika
mbola ho avy
Sekolinay
Vetson'ny voafonja
Ento milamina
TENY FARANY