EFA RESY AHO (lain's rakoto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nianjera dia niatrosona
Nidrosy tamin'ny tany
Mikorosy sady lavo
Miazoazo toa malazo
Toy ny ravi-kazo
Main'ny hafanana
Ireo fa mianahana
Miantso dada miantso mama
Mikorosy sy voaposy
Nianjeran'ny lakolosy
Nidrosy niantsingidina
Tsy afaka manidina
Sahirana ny saina
Miaro ferin'aina
Miantso vonjy mitaraina
Miady irery tsy malaina
Nianjera mafy
Tany amoron-kady
Lavo resy an'ady
Tsy mba nahazo samboady
Lavo mafy sy mandady
Nianjera amoron-kady
Nazera sy nafatotra amin'ny tady.
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
885 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lain's rakoto
Nampiditra : Naje
Daty : 05/11/2016 07:58
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0401