etsy hafarako (lain's rakoto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ra vorona manidina
Misidina
Tsy mety miatsingidina
Etsy mba hafarako
Hafarako raha toa ka mba ho any aminy
Ho any aminy any
Hanambara izany alaheloko
Indrindra fa sentosentoko
Ny tokoko lava
Manjombojombon-dava
Manjonetra toy zaza
Zaza nilaozan-dray
Lazao azy ny hafatro
Dia mba anontanio izy
Anontanio fa tsy fantatro
Tsy fantatro ny ao am-pony
Ny alaheloko hono hoe tsy omby amin'ny gony
Lazao izy fa tsy miova ny aty
Ny fony manontolo hono hoe efa lasan-dry
Lain's rakoto
12-10-16
--------
Rohy:
Sokajy : Fahatsiarovana - embona
778 1
Mpakafy: kaïra51
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lain's rakoto
Nampiditra : naje
Daty : 17/10/2016 05:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157