Foana ve? (lain's rakoto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mampalahelo ny fiainana
Tsy mba misy azoko itarainana
Na ny tapaka sy namana
Toa manampy mialangalana
Toa zara raha manampy
Izy ary hono:mijaly miafiafy
Toa maha te higafy
Hitabataba mafy
Toa lasa very ankehitriny
Ireo kolon-tsaina tsika fahiny
Ilay lova tsara indrindra
Ilay firaisan-kina no hery
Toa tsy hita intsony fa hoe very
Verivery foana tsy hita hoe nankaiza
Lasa niova kolon-tsaina
Kolon-tsain'ireo vazaha
Mampalahelo ny miaina
Voafafa ireo zavatra nilaina
Mampiferin'aina
Maha lasalasa saina
Hatraiza re no fetra
Aiza ho aiza no iafarany
Sa miandry miandry hatrany
Miandry ny ifaran'ny ity tany
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
619 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lain's rakoto
Nampiditra : Naje
Daty : 04/09/2016 07:06
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0213