You are here: home > Vetso

GADRAM-PAHOTANA - lain's rakoto

Azo vakiana?

Andriamanitro o
mpanota aho
ary mbola hanota
nefa fantatrao
hitanao sahady

tazanao sahady ny farany
nefa kosa ray
mamela ny helokay
mangataka ny famindram-ponao
mamindra fo aminay

mpanota aho
tena osa sy malemy
reraka sy trotraka
ampio ny fanahiko
hiady sy hanohitra

Andriamanitra o
Na ny volon-dohako aza voaisanao
Ny heloko kosa ray avelao
Vorao ity rojo miazona aho
28-08-19
LAIN'S RAKOTO
GADRAM-PAHOTANA

Hevitra mandeha

katrynah (10/12/2019 14:38:25)

marn zan Tompo o mifona aho mamindra fo amiko

Hametraka hevitra

Midira aloha