HO ANAO IO!! (lain's rakoto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dray dray dray
Hafahafa izy izany
Endrika tsy natoraly
Tsy lafatra izy izany
Tsy mba kolontsaina malagasy

Ny fandeha sy ny bika
Miosina arina toa tsy hita
Ny fiteny sy famindra
Hafa kely niova rindra
Ny fitafy sy fiteny

Hafa mintsy ny an'i neny
Teny gasy rano iray
Tsy anapiana tsy analana
Teny gasy tena tsara
Ny fitafy kosa indray

Mampiseho tratra sy foitra
Izany va ny hoe mivoatra
Toa miantso lehilahy
Ny kilaoty fohy
Mampiseho izay afenina

Sao ho voa ka hanenina
Amin'ny zavatra tenenina
Aza mody be marenina
Efa niolana vao miverina
Ianao no miantso azy

Manaitra ny filany
Ny fitafinao rehetra
No nanintona ny masony
Manaitra izany taovany
Hampitroatra ny ao anatiny

Io fitafinao io!
Ataovy maontiny izy io!
Mianjakanjaka tsy lafatra
Teny atsipy sady hafatra
Ndrao ho boraka ka latsaka
--------
Rohy:
1044 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lain's rakoto
Nampiditra : Naje
Daty : 20/01/2017 07:54
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0172