iza ary no izy? (lain's rakoto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tsy izaho angamba izany
tsy izaho mihintsy
tena tsy izaho izany
izany atao hoe maditra
ilay hoe fositra
mpisopatra masositra
mpanao fitia an-tendro molotra
mahazo fafiny dia mandositra
ilay tia mijagajanga
izaho angamba!
izaho ilay lava sanga
mpanoratra mbola mibada
miteny sadasada
mbola miradarada
poeta kely mbola bitika
mihovitra mangoritsika
vitsy tsy toy ny vitsika
izy angamba!
ilay mody nandra
mody jamba
manakon-damba
ny masony tsy ahita
miafiafy mipitrapitra
tsy izaho kosa
ny hoe kanosa
na hoe be trosa
mandeha misosa
milamina sy tsotra
tsy dia manepotra
tsy tia mandrefotra
aleony manjetoka
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
795 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lain's rakoto
Nampiditra : naje
Daty : 17/09/2016 11:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143