MALAINA NEFA...!? (lain's rakoto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hiarina aho na dia malaina
Miarina tsy satry
Efa hitako any ho any ilay maraina
Hitsangana aho na dia kamo
Ny vatako malaina tsy ahavoky izany kiboko
Na mamy aza izany torimaso
Miarina tsy satry na mavesatra maso

Aleo aloha miarina
Tsy misy andrasoandraso
Mikotsam-bava manasa maso
Mamy loatra ny eto am-pandriana

Tsy maintsy mitady hameloman'olon-tiana
Na mamirifiry aza ny hatsiaka vao maraina
Miarina tsy ankitaraina
Hiarina aho na dia malaina

Miarina tsy raha vao tonga ny maraina
Hoanina malaky izay mba tohan'aina
Mamy loatra ny maraina
Nefa tsy maintsy mitady

Mila vola entina hiady
Mila mampiasa saina sy sandry
Tsy hoentina handroba
Na hoentina hiady
Fa hoentina amin'ny asa
Hamelomam-bady

Tsy kivy aho na dia malaina
Hitraka raha vao tonga ny maraina
Mivavaka aminy tompo
Mba tsy ho very ity mpanompo
Miezaka sy misaina
Mijoro foana tsy malaina

Vonona tsy mba miferin'aina
Hiarina aho na dia malaina
Raha vao tonga ny maraina
Tsy kivy tsy reraka
Miasa mafy tsy mifezaka
--------
Rohy:
887 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lain's rakoto
Nampiditra : Naje
Daty : 03/01/2017 07:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113