miaramila (lain's rakoto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
miady sy mitolona
mitolona ho an'iza
ho an'ireo mpitondra ve?
sa ho an'ireo vahoaka
Toa manara dreny rano
Tsy mba afaka manohitra
Na hiakatra eny ambohitsirohitra
Tsy mba manan-tsafidy
Tsy maintsy manaraka didy
N'inona n'inona miseho
Tsy afa miteny fa mangina ny feo
Tsy afa manoatra
Tsy maintsy apoaka
Ny firavaka ratsy
Na tsara na ratsy
Ny zava miseho
Tsy ankitsitsy tsy ankitoreo
Alatsaka foana ran'ny gasy
Tsy mamindra fo fa apoaka ny basy
Lain's rakoto
--------
Rohy:
846 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lain's rakoto
Nampiditra : naje
Daty : 02/11/2016 09:28
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102