MPITOLONA MANGINA (lain's rakoto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miady mafy re ny fo
Mitaraina koa ny saina
Mitoloko ny fanahy
Mitabataba koa ny nofo
Midradradra mafy
Mitady izay ho azy
Manaiky sy manda ny saina sy ny fo
Mangaina mitogaigy
Mahatsiaro miady irery
Miady irery sy manjeny
Malahelo mitomany
Manjombonjombon-dava
Miady irery foana
Mitolona mangina
Hanavaozana azy telo
Hamonjy sy hamaha
Izay fatorana mangeja
Miady irery ny fanahy
Mivavaka mangina
Mitolona milamina
Mikaroka tsy miato
Hanavotana sakaiza
Hamonjena ireo manihy
Mananantena ho mpandresy
Lain's Rakoto
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
820 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lain's rakoto
Nampiditra : Naje
Daty : 05/11/2016 08:42
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144