NY MARAINA (lain's rakoto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha maneno ny akoho lahy
Manambara fa maraina
Raha hita ny tara-pahazavana
Tara-pahazavan'i ingahy be masoandro
Manambara fa atoandro
Rehefa injay mikotaba
Ny kilonga maro be
Miomana amin'izay
Fa hirava i Dadabe
Raha milentika ny masoandro
Milaza fa hariva
Vita izay ny atoandro
Dia hiseho indray ny volana
Hanambara fanembonana
Toy izany koa ny kintana
Ireo zavatra mamiratra
Hampanginana ny kotaba
Ny kotabataban-jaza
Dia nangina teo ny tany
Tsy haiko aloha izay tomany
Feon'amboho no mivovo
Tsy mba misy iray mifoha
Tapi-mandry avokoa
Dia toy izany ny fiainana
Tsy mba misy fahalainana
Lain's Rakoto
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
852 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lain's rakoto
Nampiditra : Naje
Daty : 05/11/2016 08:30
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145