Ny tontoloko! (lain's rakoto)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha vao miposaka ny maraina!
Iaonao no mibahana an-tsaina
Miarina tsy mba malaina

Mitsiky tsy velon-taraina
Raha tonga ny atoandro!
Mitaratra izany masoandro
Mitaratra ny endrikao

Tsara loatra tsy malazo
Ny hariva kosa indray
Mihirahira feo iray
Mahatsiaro anao izay

Mamentsoventso fo iray
Ny alina irery
Mahatsiaro tena ho irery
Tsy misy misy anao ry demoazely

Tsara bika toy ny anjely
Ilay manampy ahy tsy ho very
Ilay tokako any irery
Mila ahy fa manjeny
--------
Rohy:
679 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : lain's rakoto
Nampiditra : Naje
Daty : 27/11/2016 09:32
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0977